Actualités

LAOBARY ANDASY MINISTERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY HARENA LOVAINJAFY

Vita ny sonia teo amin'ny taratasy fifanarahana eo amin'ny Minisitra MEPB sy ny Minisitra MEDD, ary ny Filohan'ny Fédération FIVOI Menabe

ARCHITECTO

Auteur : Alexandros MARIGNADRO

18 juin 2024

42

 

Efa naharitra enina taona (6 taona) izay no tsy nahazo nisitraka ny zo nentim-paharazana (tsy nahazo nanapaka hazo) ny VOI ato amin’ny faritra Menabe nohon’ilay note de service nomerao 2124/18/MEEF/Mi navoakan’ny Ministeran’ny Tontolo Ianana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tamin’ny 08 Desambra 2018. Izay no natao satria nirongatra izay tsy izy no fahapotehana tato amin’ny faritra Menabe, indrindra ny tao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena. Araka ny vaovao nivoaka isan’andro nivoaka tamin’izany fotoana izany dia nahenohana, saika ho isan’andro, ny firongotry ny fahapotehana nanerana ny nosy. Ary dia nanapa-kevitra indray ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy Fandrosoana Lovainjafy fa tokony andraisana fepetra tahaka any Menabe koa ny manerana ny nosy ary dia nivoaka indray ny Note d’instruction laharana: 01/19/MEDD/Mi tamin’ny 29 Janoary 2019. Ary nanomboka teo dia nahatsapaka fa tena voahitsakitsaka ny zo anana’ny VOI izay nomeny lalana GELOSE azy izay afaka manapaka hazo any amin’ny faitra fakana zo nentim-paharazana. Noho io trangan-javatra io dia maro ireo mpitantana faritra arovana sy ny Firaisa monim-pirenena no nitaraina tany aminy Ministera mba hanaisotra ilay note fa tena mijaly ny VOI ary sahirana koa ireo mpitantana, satria manentena ny olona hiaro sy hamboly hazo nefa izy tsy mba mahazo misitraka ny zo nentim-paharazana. Na dia efa nisy izany ezaka izany, dia nandamoka avokoa, satria nandeha irery ny izay nanana hetaheta mba te hiady ho an’ny VOI.

Ary tamin’ny ity taona 2024 ity, ny Federation FIVOI Menabe dia tena nanapan-kevitra fa tena hiady ny zon’ny VOI mpitantana harena voajanahary satria tena voagejan’ireo note ireo. Efa nisy ihany ny arrête Interministeriel 32 100/2014, izay mandrara ihany koa fanapahana mangrove fa mbola nahazo namoaka permis ihany ny taty amin’ny faitra Menabe. Satria ireo note sy arrete ireo, ny Ministera no namoaka azy, ary izy ihany koa no manana fahefana hamaha azy. Ary dia nanapa-kevitra ny FIVOI Menabe fa VOI hiantso ny VOI eran’ny Madagasikara sy ireo Firaisa-monim-pirenena namana sy resilahatra amin’ny fanomezana ny zo ho an’ny mpitantana harena voajanahary. Ary nanomboka ny alatsinainy faha 17 Jona 2024 ka hatramin’ny 18 Jona 2024 dia nisy Dinika nationaly ho fiantohana ny zon’ny vondron’olona ifotony mitantana harena voajanary, izay notohana’ny WWF Madagascar vola. Ny CNPE, reseau Mihary, TAFO MIHAAVO no niara-nanatontosa taminay ny asa rehetra. Vokany resy lahatra ny Ministera roa tonta dia ny MEDD, MEPB fa tokony omena ny VOI ny zo efa nomen’ny lalana azy ary efa voatolotra eo anivony Gouvernementa ny volavola-kevitra mahakasika izany araka ny filazan’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy. Ary nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia ny Engagement ny tsirairay ho fapahombiazana ny ezaka rehetra tsy hahalany ritra ny harena voajanary eto Madagasikara fa mba ho lovainjafy. 

Fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ministra sy ny Filohan’ny Fédération FIVOI Menabe

Mitodika tanteraka any amin’ny Governemanta ny fijerin’ny (maso) VOI amin’zao fotoana izao ny amin’ny famahana ny olona mba hisitrahan’ny zo efa ananany.

Laobary an-dasy niarahan’ny solon-tenan’ireo VOI manerana an’i Madagasikara, ny CNPE, Réseau MIHARY, TAFO MIHAAVO, MEDD, MPEB

 

Sources : Actualites

Lieu : Ankerana